ActualitésTatitra

France : Ahiahiana ho « pedophile » ihany koa i Pierre Palmade

Ankoatra ny raharaha zava-mahadomelina sy lozam-pifamoivoizana mahavoasaringotra an’i Pierre Palmade dia efa manokatra fanadihadiana momba ny « pédophilie » momba azy ihany koa ireo manam-pahefana. Raha ny fantatra dia nisy olona akaiky io mpanao hatsikana io nitoroko azy tamin’ny manam-pahefana.

Nanazava io olona io fa nidedaka taminy i an’i Pierre Palmade fa afaka miaraka sy miray ara-nofo amin’ny ankizy 7 sy 9 taona. Nilaza io olona nitoroka azy io fa nampiseho sary azy mihitsy i Pierre Palmade tamin’ny androan’ny 14 janoary. Nidina avy hatrany tamin’ny tranon’io olona nitoroko antsoina hoe Patrick io ireo manam-pahefana, tsy manana porofo mivaingana izy raha ny fanazavany saingy nalain’ireo manam-pahefana ihany ny finday hanaovana fanadihadiana.

Marihina fa maro ireo haino aman-jery manameloka an’i Pierre Palmade amin’ny raharaha « pédophilie », efa nanomboka rahateo ny fikarohana horonantsary mamoafady ahitana ankizy tao amin’ny fonenan’i Pierre Palmade. Raisin’ireo mpitsara sy mpanao fanadihadiana ampahamatorana kosa i fitorohana nataon’i Patrick io.

Laisser un commentaire