Ambohimangakely: Nozaraina vatsy ireo mpanabe avy ao amin’ny CEG sy Lycée
Anisan’ny nanamarika ny famaranana ny fankalazana ny faran’ny taona tao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny hetsika fizarana vatsy ho an’ireo mpanabe tao an-toerana. Tonga nanolotra vatsy ho an’ireo mpanabe tao amin’ny Lycée sy CEG ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna, araka ny voalaza.
“Efa hetsika fanaon’ny kaominina ny fizarana vatsy ho an’ireo mpanabe sy mpampianatra ety amin’ny CEG sy ny lisea. Izany moa dia vokatry ny ezaka sy ho fanohanana azy ireo, indrindra tamin’ny fety, samy nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Fisaorana hatrany ny hatolotra ny ben’ny tanàna amin’ny ezaka ataony ka nanolorany vatsy ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe teto an-toerana. Zava-dehibe ho anay tokoa izany fanohanana izany” hoy ny avy amin’ireo mpanabe.
Mitohy hatrany moa ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fanohanana sy fampandrosoana ny mponina.
