ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitohy ny fanentanana ho amin’ny fanadiovana

Ao anatin’ny asa fampandrosoana eny anivon’ny kaominina, misy ary mitohy hatrany ny fanentanana ireo mponina amin’ny asa fanadiovana, indrindra ny fandiovana ireo tatatra eny anelanelan-trano rehetra sy ireo manamorona ny lalam-pirenena. Tsy mitsahatra ny manao fanentanana ireo mponina ho amin’izany ny ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

“Taratry ny fandrosoana ny fahadiovan’ny tanàna. Anjaran’ireo tomponandraikitra ny mampatsiahy sy manentana ny mponina ao aminy, indrindra ny fampandraisan’andraikitra ireo mponina ireo hahay hitandro ny fahadiovana sy hirotsaka an-tsehatra hanadio ny loto sy ireo tatatra tandrify azy” hoy I Rafidy, mpahay fiaraha-monina.

“Tsy tokony hiandry baiko ny mponina amin’ny resaka fanadiovana. Ny lalàna no tokony hamafisina mba hanairana ny sain’ireo rehetra izay mpampiasa ny tatatra. Omena sazy ireo tratra manary rano misy ventiny amin’ny tatatra, faizina amin’ny dina kosa ireo tsy mandray anjara amin’ny asa fanadiovana” hoy I Volana, mponina ao Ambohimangakely.

Asa tokony hifandrombonan’ny olom-pirenena tsirairay ny fanadiovana. Anisan’ny asam-pokonolona tokony hatao eny anivon’ny fokontany mihitsy izany ary fampandraisan’andraikitra ny olom-pirenena feno taona rehetra. Tsy tokony hiandry fanentanana araka izany vao hiroso amin’ny asa fanadiovana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire