Fampiasana ny « mobile money » : mpisoloky amin’ny m-vola nampidirina am-ponja.
Efa mibahan-toerana ary efa tafiditra amin’ny andavan’androm-piainan’ny Malagasy ankehitriny ny fampiasana ny « mobile money ». Tsy ambakan’izany ihany koa anefa ireo mpisoloky ao anatin’ireny asa ireny. Saron’ny zandary ny rangahy iray mpisoloky amin’ny alalan’ny m-vola tao Mahajanga ka naiditra am-ponja avy hatrany ity farany noho izany.
Mahakasika izany dia nanao fanambarana ny avy tao amin’ny sampana fikarohana heloka be vava an-habaka : « tsy mitsitsy izahay ho an’ireo izay tratra amin’ity fangalarana ity fa avy hatrany dia migadra ary izahay dia miasa andro aman’alina mandray sy mitady ny vahaolana amin’ity tranga tsy mety voafehy ity noho ny hamaroan’ireo mpanao ratsy ». « Manahirana ihany ity tranga ity satria maro ireo olona tonga eto aminay dia tsy fantatra mazava hoe iza amin’ireo no mety ho mpisoloky fa ny tsirairay no mila manadihady tsara raha misy olona milaza ho mpiasan’ny Telma miantso azy » hoy i Tanjona mpitana kioska m-vola.
Ny ratsy tsy kely lalana ary mahita irika hisintomana izay any amin’ny tsirairay foana izy ireny. Ankehitriny dia efa misy ny mpandray antanana ireo manana olana amin’ny tontolon’ny habaka eo anatrehan’ny mpitandro ny filaminana ka azo atao tsara ny manantona izany ho fanampiana azy ireo ihany koa hamongotra ireny mpanao ratsy ireny.
Miora Raharisolo
