ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nanao fitsidihana ny ben’ny tanàna ireo lehiben’ny brigadin’ny zandarimaria vaovao

Omaly alatsinainy, 24 oktobra no tonga nanao ny fitsidihana ara-pomba fifanajana an’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ireo mpiara-miasa aminy ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena vaovao hiasa ao an-toerana. Ny Adjudant-Chef Rabezanahary, kaomandin’ny borigady Ambohimangakely sy ny Adjudant-Chef Zafindratohary Victor Julia, lefitra no lehiben’ny borigadin’ny zandarimaria Ambohimangakely vaovao ao anatin’izany. Nisy ny dinika sy fifanakalozan-kevitra nandritra izany.

« Maro ireo ezaka mila hatao mahasika ny fandriam-pahalena. Ilaina ny fampahafantarana sy ny fametrahana ireo teboka ho an’ny fandaharan’asa dieny ety am-piandohana mba hanamora ny asa sahanina isan-karazany. Indridra mba hanamora ny fanantonana ireo mponina » hoy ireo tomponandraikitra.

« Zava-dehibe amin’ny fanendrena olom-baovao tahaka izao ny fiovana eo amin’ny vokatry ny asa sahanin’ilay ambaratonga. Izany fiovana izany, izay tokony hipaka sy ho hita taratra eny amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina » hoy i Lova, mpianatra momba ny fiaraha-monina.

Miova andriana, hono, miova sata. Anisan’ny miandry fiovana araka izany ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Mba hisy vokany eo amin’ny fiainana andavan’andron’ireo mponina tokoa ny asa ataon’ireo mpitandro filaminana vaovao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire