La Réunion : Tamba-jotra iray mpamokatra sy mpivarotra rongony no rava tao Saint-Pierre
Olona enina izay nisy zaza tsy ampy taona maromaro no voasambotra tao Saint-Denis noho ny raharaha famokarana sy fivarotana rongony. Ny fiaraha-miasan’ny mpanao fanadiadiana ny vondrona manam-pahefana tao Ravine des Cabris sy Saint-Pierre no nahafahana nisambotra ireo olona ireo raha ny fanazavana.
Mpivady kosa no mpitarika io tambajotra io raha ny tatitra nentin’ny tompon’andraikitra. Mpikambana ao amin’ny fianakavian’izy ireo kosa no miara miasa amin’ny fanamparitahana izany rongony izany. Raha ny petra-kevitra dia ahazoan’ireo vondron’olona ireo 90 000 euros eo io asa ratsy ataony io. Nahitana vola 20 000 euros sy rongony 10 kilao moa ny toerana nisy azy ireo nandritra ny fandehanana ifotony nataon’ireo mpanadiady.
