ActualitésTsidika

Alasora: Hanomboka ny sabotsy izao ny fampianarana ho an’ireo mpanala bacc

Amin’ny sabotsy  izao no fiandohan’ny fampianarana, amin’ny « cours d’appui Bacc » izay nokarakarain’ny kaominina Alasora. Entina  hanampiana ireo mpianatra amin’ny fanomanana sy ny  fiatrehana ny fanadinam-panjakana no nanaovana ny hetsika, izay maimaim-poana, araka ny voalaza.

« Araka ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitra dia manomboka ny 15 aprily ireo mpanala ny fananadinana bakalorea no manomboka ny fampianarana eto amin’ny kaominina. Amin’io andro io ihany koa no hizarana ny karatra sy ny fandraharam-potoana ny fampianarana » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Satria moa efa mandeha ihany ny fotoana, mihamanakaiky ny datim-panadinana, ialina araka izany ny mitan-tsoroka ireo ankizy mpiadina sy manampy azy ireo amin’ireo teknika enti-miatrika ny fananadinana, miampy fampianarana mandritra izany »  hoy ny avy amin’ireo mpanabe.

Eny amin’ny sekoly TASC Alasora moa no trano hianarana mandritra izany. Marihina fa efa nisy ny fanentanana mialoha sy ny fandraisana anarana ho an’ireo izay hanaraka ity fampianarana hatolotry ny kaominina ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire