ActualitésTsidika

Alasora : Manomboka ny asa fanamboarana toeram-panasan-damba ho an’ny mponina ao Amboaroy

Misy ny fanamboarana toerana fanasan-damba ho an’ireo mponina (bassin lavoir) ao Malama ambony, fokontany Amboaroy, kaominina Alasora amin’izao fotoana. Ao anatin’ny fanatanterahana ny asa tanteraka ireo tomponandraikitra.

« mitohy hatrany ezaka amin’ny fametrahana foto-drafitr’asa ho an’ny mponina eny amin’ny fokontany. Izany moa dia vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Misongadina Alasora raha eo amin’ny amin’ny asa fampandrosoana ny kaominina no jerena. Hita taratra ny ezaka ataon’ireo tomponandraikitra amin’ny famaliana ny hetahetan’ny mponina ka hisaorana ireo tomponandraikitra » hoy i Felana, mponina ao Alasora.

Anisan’ny foto-drafitr’asa ilain’ny mponina ny bassin lavoir. Efa ela moa ny mponina tao an-toerana no niandry ny fananganana ity foto-drafitr’asa ity.

Laisser un commentaire