Jerusalem : Betsaka ireo naratra nandritra ny fifandonana
Niteraka faharatran’olona marobe ny fifandonana teo amin’ny Palestinianina sy ny polisy ao Israél nanoloana ny « espalanade des Mosquées » tany Jerusalem anio Alatsinainy 10 Mey. Efa mahery ny dimampolo tamin’ireo naratra no nentina haingana teny amin’ny hopitaly hoy ny vokovoko mena any an-toerana. Fifandonana vaovao no nitranga tamin’ireo mpivavaka palestinianina nanohitra ny polisy israelianina. Nitoraka balafika na « projectiles » tamin’ireto tafika Israelianina ireto palestinianina ary novalian’ireto farany grenady sy bala caoutchouc ary baomba mandatsa-dranomaso. Re nanakoako nanerana ny faritr’i Jerusalem ny feon’ny grenady izay toy ny fanenonenon’ny mpamonjy voina ihany koa. Nifanindry tamin’ny Alimanaka hebreo izay hankalazana ny « journée de Jerusalem » ity fifandonana ity izay nanamarika nanamarina ny faharesen’i Israel nanoloana ny faritra atsinanan’ny tanàna tamin’ny 1967. Ny zoma lasa teo aza, maherin’ny 200 no naratra nandritra ny andro famaranana ny Ramadan. Ary manodidina ny 100 indray no naratra ny sabotsy taorian’izay.
