Belgique : Nanatsahatra ny fiaraha-miasa amin’ny mpamokatra ny AstraZeneca
Tsy nanavao ny fifanarahana aorian’ny volana Jona izao tamin’ny AstraZeneca ny vaomera Eoropeanina. Noraisina taorian’ny olana maro momba ny famatsiana ity vaksiny no anton’ny fanapahan-kevitra. Inona no mety hahazo ireo olona nahazo ny fatra voalohany tamin’ity vaksiny ity ? hoy ny fanontanian’ny ankamaroan’ny olona. Tapaka mantsy ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta ka nandray izao fanapahan-kevitra izao ny vaomera Eoropeanina. Inona ihany koa no tihin’ireo olona tsy maintsy mandray ny fatrany faharo amin’ny volana Jolay ? Hahazo vaksiny karazany hafa ve ? Inona ilay vaksiny ? Hoy hatrany ny olona. Namaly izany fanontaniana rehetra izany ny mpitondra teny, Yves Van Laethem anio 10 Mey maraina tao amin’ny Bel RTL. Tsy misy olana satria manana tahiry amin’ny AstraZeneca isika hoy hatrany izy. Nanapa-kevitra ny tao Belgique fa izay nahazo tamin’ny fatra voalohany dia tokony hahazo ny fatra faharoa ary tsy asiana fiatraikany ny fanatontosana izany. Hatrahatra hatreo ny fiaraha-miasa amin’ny AstraZeneca satri ampy ny tahiry teo aloha. Betsaka aza ny fatra azon’ny Belgique ary ankehitriny, mizara izany vaksiny izany amin’ny firenena hafa aza izy hoy hatrany i Yves Van Laethem.
