Kolontsaina: Hiverina hisokatra ny Rovan’ny Madagasikara
Hiverina hisokatra ny 18 jona ho avy izao ny Rovan’I Madagaiskara arak any fanambarana avy amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Andro sisa no isaina. Afaka ho tsidihin’ny rehetra araka izany ity toerana ity hanomboka amin’io alahady io. Efa voaarina sy vita sao aman-tsara ity toerana ity izay nisy nandoro ka ho mariky ny fandrosoana makany amin’ny tsar any anton’ny fanokafana izany.
“28 taona no nahamay ity vakoka ity. Voaarina ary vita soa aman-tsara izy ankehitriny. Mariky ny fandresena ny nahavitana nanarina azy sy hanokatra azy indray ho azon’ny besinimaro tsidihana, mariky ny fandresena satria tamin’ny fanafihan’ny frantsay hanjanan-tany teto Madagasikara dia teo amin’ny Rovan’i Madagasikara no anisan’ny nanehoana fa resy isika. Ankehitriny, mpandresy isika3? Hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
“Vakoka, izany hoe mitahiry zavatra be dia be. Tsara raha hampianarina ny ankizy izany tantara izany satria anisan’ny mamelona ny hambopo izany. Enga anie ho tsara fitantanana ihany koa fa tsy hatao atsirambina”, hoy ity mpahay tantara iray.
Ny toerana toy izao no tokony hampianarana ny olona tsirairay hiaro ny fananana iombonana. Tokony samy ho saropiaro ny tsirairay amin’izany zavatra hananany izany.
Miora Raharisolo
