ActualitésTsidika

Fanasan-tanana ho an’ny mpiadina CEPE ao amin’ny Cisco Arivonimamo

Androany no daty voatondro hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE ho amin’ity taom-pianarana ity. Na izany aza anefa dia mbola tafiidtra hatrany ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 isika ka mila mailo hatrany, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Isan’ny tompon’andraikitra ihany koa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana. Nametraka fanasan-tanana sy savony ary « gel désinfectant » teny anivon’ny Cisco Arivonimamo ny amin’ny Ministeran’ny Rano. Isan’ny tosika tena ilaina tokoa izany manoloana ny fanadinana sy ny aretina. Ahitana mpiadina fanadinana CEPE miisa 8 938 ity Cisco ity izay ho aparitaka manerana ny ivon-toerana 23 izay misy efitrano 234 hoy ny avy eo anivon’ny Cisco. Efa napetraka nanomboka ny 2 jolay lasa teo ihany koa ny fitaovana rehetra avy amin’ny Ministeran’ny Rano izay nisolon’ny talen’ny kabonetra, Rarivohelison Haja, tena tamin’izany. Ilaina tokoa ny fanajana ny sakana ara-pahasalamana rehetra izay napetraka hisorohana ny aretina coronavirus mandritra io fanadinana io indrindra ny fanadiovana ny efitra tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire