ActualitésTatitra

France : Namoy ny ainy ny loholona Patrick Boré

« Nodimandry tao an-tranony izy, efa narary nandritra ny 18 volana » hoy Antoine Rouzoud, mpiandraikitra ny seraserany, nandritra ny fampilazana nataony. Voafidy tao amin’ny Antenimieran-doholona ny volana jolay 2020 teo dia tsy maintsy nametra-pialana tamin’io andraikiny ben’ny tanànan’i La Ciotat io izy ny volana aogositra 2020.

Maty ny alin’ny alahady teo izy rehefa taizan’aretina nandritra ny fotoana naharitra. Raha tsiahivina dia ben’ny tananan’i La Ciotat voalohany nanomboka ny 2001 izy hatramin’ny 2020 ary efa mpikambana nandritra ny fotoana maro tao amin’ny filan-kevitry ny departemanta tao Bouches-du-Rhône sy filoha lefitry ny tanàna Aix-Marseille-Provence. Mbola nandray anjara tamin’ny fanatanterahana sy ny fifidianana ny lalàna ao France izy na efa tao anatin’ny aretina aza.

Laisser un commentaire