ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Manodidina ny 250 isa ireo manaraka fiofanana natolotry ny kaominina

Ao anatin’ny fiofanana tanteraka ireo mpianatra, tanora sy olon-dehibe manaraka ny fiofanana maimaim-poana izay natolotry ny kaominina Ambohimangakely. Ny taranja frantsay sy ny call-center no hiofanan’ireo tanora mpianatra amin’izao fotoana izao, izay mahatratra hatramin’ny 250 isa ireo mpanaraka fiofanana ao an-toerana, raha ny voalaza.

« Ao anatin’ny fanovozana fahalalana tanteraka ireo mpianatra manaraka ny fiofanana izay atolotry ny kaominina amin’izao fotoana izao, izay iarahana amin’ireo mpampianatra manana traik’efa sy za-draharaha. Mbola afaka mandray mpiofana hatrany ihany koa ny fiofanana ho an’ireo izay mbola liana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Natokana ho an’ny sokajin-taona rehetra ny fiofanana atolotry ny kaominina. Malalaka ary azo hisafidiana tsara ny ora hiaranarana. Maro dia maro ireo liana ary mahatratra an-jatony mahery avokoa ny mpanaraka ny taranja hiofanana izay natolotra ato an-toerana ary mbola hiampy aza ireo taranja ireo » hoy hatrany ny fanazavana.

Nahatratra 300 isa moa ireo nanaraka ny fiofanana informatika tao an-toerana ity, izay ho avoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela. Amin’izao fotoana kosa dia ny taranja frantsay sy ny call-center no ataon’ny mpiofana. Ho avy tsy ho ela kosa ny fianarana teny anglisy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire