Ambohimanga rova : Nentina nitsidika ny rova ireo mpianatra mpanala fanadinana
Ankizy mpianatra ao amin’ny taona faha dimy, ao amin’ny EPP Anosiarivo, kaominina Ambohimanga rova no nentin’ny Association Mihary nitsidika ny rova ao an-toerana. Maro amin’ireo ankizy monina ao amin’ny kaominina no tsy mbola nahita ny rovan’Ambohimanga ka izao noraisin’ny fikambanana an-tanana izao, araka ny voalaza.
“Anisan’ny fanolora-tena sy adidy atao amin’ny maha mpianatra ireto ankizy no nitondrana azy ireo hitsidika ny rova ety an-toerana. Mendrika azy ireo ny hahalala ny tantara sy ny fomba ary ny kolontsaina mampiavaka an’Ambohimanga, inindra ihany koa amin’ny maha mpanala fanadinana azy ireo” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.
“Mahafinaritra ny fandraisana an-tanana sy ny fikarakarana tahaka izao. Hisaorana ireo avy amin’ny fikambanana fa tena faly tokoa ireo mpianatra, nahita zava-baovao, nahalala ny tantara nandritra ny fitsidihana” hoy i Andry, mpampianatra.
Zava-dehibe ho an’ny fanitaran-tsaina sy fanovozam-pahalalana ho an’ny mpianatra ny fitsidihana ireo toera-manatantara tahaka izao. Anisan’ny mampisokatra ny saina sy ahafantarany ny tantara sy ny fomba fahiny.
Manitra Ramanantsoa
