Viliahazo : Efa hihazo an’Ankonabe ny fanamboaran-dalana
Milamina tsara hatreto ny fanamboaran-dalana ao amin’ny kaominina Viliahazo. Efa azo lazaina ho tsara ireo lalana vita.
« Misosa tsara mihitsy izahay mandeha amin’ity lalana efa vita eto ity amin’izao. Eo am-panohizana ny fanamboarana izany ny tompon’andraikitra aminin’izao » hoy i Lanto, mponina ao Anosimanjaka Viliahazo. « Miezaka hatrany arak’izay azo atao isika. Isaorana ny avy ao amin’ny Governoran’ny faritra Analamanga nanome fitaovana ho enti-manamboatra ny lalana » hoy ny ben’ny tanàna ao Viliahazo.
Mbola Maro ny tetik’asan’ny kaominina ho enti-mampandroso ny tanàna. Mila fifanohanana avy amin’ny vahoaka ihany koa izany satria ny tao trano tsy hefan’ny irery. Iaraha-misitraka rahateo ny asa vita avy eo.
Nicole Rafalimananjara
