ActualitésTsidika

Fiomanana amin’ny fanadinana BAKALOREA

Higadona tsy ho ela ny fanadinam-panajkana BAKALOREA 2021 izay dingam-piainana tsy maintsy lalovana alohan’ny hidirana ao amin’ny tontolon’ny anjerimanontolo. Mialohan’izay anefa dia mbola betsaka ireo karakaraina sy homanina mba hizotra tsara ao anaty filaminana izany fanadinana izany. Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Alarobia 14 Jolay tolakandro ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena nampahafantatrany fizotry ny fanomanana ny fanadinana BAKALOREA 2021.

Lafiny telo no imasoana amin’ny fanomanana ity BAKALOREA 2021 ity dia ny ara-tekinika, ny ara-pahasalamana ary ny filaminana hoy ny fanambaran’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Eo amin’ny lafiny tekinika aloha, dia nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony Pr Rajaonarison Jean François fa efa amperin’asa tanteraka ireo mpamolavola ny laza adina izay efa any anatin’ny fihibohana amin’izao fotoana izao.

Marihina fa mialohan’ny niaingan’izy ireo dia nisy ny fitiliana ny COVID-19 natao tamin’ireo ekipa rehetra hihiboka mba hiantohana ny fahasalamana, fitiliana izay niarahana niasa tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hoy hatrany izy. Nahitana fitomboany izay 16% ny tahan’ny fisoratana anarana tamin’ity taona ity ary miakatra manaraka izany ihany koa ny isan’ny foibem-panadinana. Eo amin’ny lafiny fahasalamana dia ho hentitra hatrany ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana manoloana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina hoy ihany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ankoatra ireo rehetra ireo dia nanantitrantitra ny Colonel Randrianarivelo Annissé, komandin’ny vondrotobimpileovan’ny Zandarimariam-pirenena Analamanga fa hotohizana ny fanaraha-maso sy fandraisana fepetra avy hatrany manoloana ny fanaparitahana laza adina sandoka manakorontana ny saim-bahoaka indrindra fa ny mpiadina sy ny ray aman-dreny.

Tsy handefitra ny mpitandro filaminana amin’ireo izay minia hampisavorovoro toy izany na mivantana io, na ankolaka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera . Ny mikasika ireo mpanala fanadinana kosa dia azo lazaina fa efa vonona tsar any mpianatra ary efa mamerimberina sisa hoy I Tendry izay hanala fanadinana Bakalorea amin’ity taona ity. Azo antoka araka izany ny hilaminan’ny fanadinana ary hantenaina ihany koa ny fiakaran’ny taham-pahafahana amin’ity taona ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire