SocialTsidika

Lozam-pifamoivoizana Ambatomanga Imerintsiatosika

Mahalana indray ny trangana lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Saika ahitana izany avokoa ny lalam-pirenena. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fiara sprinter avy any Faratsiho no tra-doza teo Ambatomanga ny alakamisy maraina tamin’ny 9 ora sy sasany teo. “Nandeha mafy be avy any io fiara io dia andeha hisongona an’ilay fiara teo alohany, tonga dia notsenain’ity kamio ity” hoy ny fitantaran’ireo nanatri-maso.

Tsy nisy kosa ny aina nafoy saingy maro ireo naratra. Araka ny fampitam-baovao dia telo tamin’ireo no tena voa mafy. Olona roa no voa teo amin’ny tongony, potika tanteraka ny an’ny iray tamin’ireo, ary ramatoa iray kosa voadona mafy tamin’ny lohany. Tsy voara-maso tokoa angaha ny mpamily amin’ny lalam-pirenena ka manao izay danin’ny kibony

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire