Vary tsinjo : Nigadona teto an-drenivohitra ny 26 janoary teo
Vary Tsinjo 1 000 t avy any Toliary no tonga ny 26 janoary 2022 teny amin’ny Fasan’ny Karana hamatsiana ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nandray izany teny an-toerana ny ministra Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-miasa aminy no sady nitsidika ny toeram-panatobiana izay mahazaka vary hatrany amin’ny 5000 t.
« Tsy tokony hiahiahy ny mety tsy fahampian’ny tahiry ny mponina » hoy ny minisitra. Nanamafy izy fa vary 25 000 t ihany koa no nigadona tao Toamasina tsy ela akory izay, ka ny fahavitan’ny tetezam-by any amin’ny lalam-pirenena faharoa sisa no andrasana dia hampiakatra eto Antananarivo sy ny manodidina ary any amin’ny faritra hafa izany.
« Ho anay izao simban’ny rivodoza ny fambolena dia tsy maintsy hanangom-bary hiavotana ka tena tsara fahatongavana ny vary » hoy i Randria. Mbola maro ihany koa nefa ireo faritra miandradra io vary tsinjo io.
Hasina Rasamimanana
