Avaradrano : I Alasora sy Ambohimangakely no hihaona main’ny lalao famaranana
Tafiakatra amin’ny lalao famaranana ho an’ny lalao baolina kitra atao eto Avaradrano ny kaominina Ambohimangakely sy Alasora. Hotanterahina ny 13 febroary 2022 izao ny lalao famaranana any amin’ny kianja Elgeco Plus By Pass.
« Tohano hatrany ny ekipantsika. Efa hita ny ezaka mafy ataon’izy ireo. Tsara ihany koa isika raha miezaka manohana hatrany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Efa ezaka lehibe izao satria tamin’ireo kaominina maro eto Avaradrano dia tafiakatra tamin’ny lalao farany i Ambohimangakely. Rehareha lehibe ho an’ny tanàna izany. Tohanana foana ny fanatanjahantena » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Sehatra azo hampivelarana tsara ny tanora ny fanatanjahan-tena. Tsy mirona amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ny tanora rehefa misy fialamboly » hoy i Daniel, mpankafy baolina kitra ao Ambohimangakely. Mila fanohanana tokoa ny ekipa tafiakatra. Tsara foana ny mametraka fa ny resy tsy ankoraina ary ny mandresy tsy hobiana.
Nicole Rafalimananjara
