ActualitésTsidika

Hankalaza ny faha-35 taonany ny tarika Kiaka

Efa manomboka hita miakatra an-tsehatra amin’izao ireo mpanakanto sangany eto amintsika. Hihaona amin’ny mpakafy indray ny tarika Kiaka ny Alahady 10 oktobra ho avy izao ao Antsahamanitra. »Faly izahay 6 miralahy hihaona aminareo indray amin’io Alahady io no sady hankalazana ihany koa ny faha 35 taona niakarana an-tsehatra » hoy ny tarika. « Ho averina mandritra io avokoa ireo hira rehetra nahafantarana anay hatramin’izay sady efa vonona rahateo ny tarika hampiaina indray ny seho nampiavaka anay ary ha, ome fahafaham-po ho anareo mpakafy » hoy i Nini, mpikambana ao amin’ny tarika. »Efa tsy andry izay hahatongavan’io andro iray toa zato io satria na efa ela no nankafy ary mbola hankafy foana sy hanohana amin’izay azo atao » hoy i Kiady, mpankafy ny tarika Kiaka. Tarika nanana ny lazany sy ny nampiavaka azy indrindra teo amin’ny sehatry ny Rock ny tarika Kiaka. Nitety vanim-potoana maro ary mbola indreo fa mijoro hatrany hitondra avo ny kanto Malagasy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire