Ambohimanambola : Mampijaly ny tsy fahampian’ny fiara mpitatitra
Mitaraina mikasika ny fitaterana ny mponina any Ambohimanambola izay mampitohy ny renivohitra. Tsy ampy ny fiara mpitatitra kanefa ny mpandeha marobe hany ka maizim-bava vilany vao tafody ny mponina. »Efa iaraha-mahalala anefa ny tsy fandriam-pahalemana indrindra amin’ny alina kanefa tsy maintsy tratra alina foana izahay fa tsy ampy ny fiara mpitatitra » hoy i Andry, mponina any Ambohimanambola. « Fijaliana isaky ny hariva eny Ambohijatovo amin’ny fiandrasana fiara mody mankany Ambohimanambola, ny filaharana lavareny kanefa ny andro maizina » hoy hatrany ny fitarainan’ireo mpandeha. « Manahirana mihitsy ny maka fiara rehefa hariva satria ao ireo fiara manao tapa-dalana izay tokony hisy fanaraha-maso, ao ihany koa ireo fiara kamo hiasa tsy te hitady vola ka rehefa harivariva dia mody hany ka mijaly ny mpandeha kanefa ireny fotoana ireny mihitsy ny tena araraotin’ireo mpanendaka sy ny mpamono olona » hoy i Albert, mpandalina ny fiaraha-monina.Manantena noho izany ireo vahoaka any amin’iny faritra Ambohimanambola Avaradrano iny fa hisy ny fandraisana andraikitra ho ataon’ny tompon’andraikitra mahefa. Miteraka tebiteby ho an’ny mponina mantsy ny fodiana hariva kanefa tsy misy fiara, etsy an-kilany velom-bolo ny olon-dratsy fa ny alina mantsy no tena namany.
Nicole Rafalimananjara
