Alasora : Tafapetraka ny jiro manazava ny tanàna ao Ankadiaivo
Tafapetraka ny faran’ny taona 2023 teo ireo jiro manazava ny tanàna ao amin’ny fokontany Ankadiaivo, kaominina Alasora. Anisan’ny asa fametrahana jiro manazava ny tanàna, namarana ny tetik’asa ho an’ny taona 2023 izany, araka ny voalaza.
« Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ny hametraka hazavana isaky ny fokontany. Raha ho an’ny taona 2023 dia maro ireo jiro voapetraka isaky ny fokontany ary hita ny fiovana ao anatin’izany. Rehefa mazava ny tanàna dia milamina ny tanàna » hoy ireo avy amin’ny kaominina.
“ Tena manao ezaka tokoa ny kaominina amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Hirariana hitohy hatrany izany amin’izao taom-baovao izao mba ho fampivoarana ny tanàna. Fa tokony hanentana ny mponina ihany anefa ireo tomponandraikitra mba hikolokolo sy hikojakoja ireo fananana iombonana ireny, indrindra hametraka dina ho an’ireo mpangalatra ny fananam-bahoaka” hoy i Léon, mponina ao Alasora.
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny tanàna ny fisian’ireo tia kely sy tsy manaja ny fananana iombonana. Mila sarotiny araka izany ny tsirairay amin’ny fiarovana sy ny fikojana azy ireny mba ho fitaovana maharitra sy fampandrosoana ny tanàna.
