CSP Alasora : Mpamaky trano iray tratra am-bodiomby, ny iray tafaporitsaka
Mpamaky trano iray no saron’ny avy polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, roa lahy no nikasa hanatanteraka fanafihana tao amin’ny tokatrano iray teny Ambohipo, ka izao tratra izao ny iray.
“Nandritra ny fisafoana izay nataon’ny polisy no nahatratrarana am-bodiomby ity lehilahy ity, ny 21 oktobra teo. Fampandrenesana nataon’ny mpiray vodirindrina fa misy mpamaky trano teny an-toerana no nahafahana nisambotra azy. Roalahy izy ireo no nikasa hanao ilay asa ratsy saingy tafaporitsaka ny iray” hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.
“Hisaorana ny polisy manatanteraka tsara ny asany, ary mangataka ny hitohizan’ny ezaka hatrany satria tena efa ratsy ary hiaraha-mahita ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Miha-maro ny tanora tafiditra amin’ny asan-jiolahy, ary tena mampitondra faisana ireo mponina ka mila hamafisina hatrany izany fitandroana ny filaminana izany” hoy i Hery, mponina ao Alasora.
Laharam-pahamehana napetraky ny ministera misahana ny filaminam-bahoaka moa ny ady amin’ny asan-jiolahy. Izay ihany koa no hanaovan’ireo mpitandro filaminana isaky ny kaomisarian’ny polisy ezaka sy fiaraha-mientana hatrany. Mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao, raha ny voalaza hatrany.
