ConseilTsidika

Institut ISS : Mikarakara hetsika mandritra ny iray volana

Mikarakara velan-kevitra mandritra ny iray volana ny Institut ISS dia. Ao amin’ny ivon-toeram-pamianarana Institut ISS no toerana hanatanterahana izany hetsika izany. « Les Enjeux liés à la Gestion d’une Infrastructure de Santé Publique » no lohahevitra hifampizarana ny 25 oktobra 2023. Io hetsika io dia manomboka amin’ny 12 ora sy sasany atoandro ka hatramin’ny 02 ora sy sasany tolak’andro ; izay hanasana antsika rehetra.

« Maro ireo zava-mitranga manoloana ny olana ara-pahasalamana. Maro ny antony izay mifandraika amin’izany amin’izao fotoana. Les Enjeux liés à la Gestion d’une Infrastructure de Santé Publique io no lohahevitra entinay ny 25 oktobra ho avy izao. Manasa anao ho avy hanatrika sy hiaraka hiady hevitra » hoy i Harinoro, tompon’andraikitra.

Ny fisoratana anarana dia azo alaina amin’ny alalan’ny fanasana ao amin’ny commevent@institut-iss.com na hiantso ny laharana 0 34 61 597 24 / 0 34 87 244 55.

Laisser un commentaire