Fenoarivo Antsinana : Nisy nanimba ny tsangam-bato fahatsiarovana ny mpanakanto zanaky ny faritra Analanjirofo.
Nisy nanimba ny tsangam-bato fahatsiarovana ny mpanakanto zanaky ny faritra Analanjirofo. Simba tanteraka ankehitriny ny tsangam-baton’i Jean Freddy eo amoron-dranomasina ary efa hita mitongilana kosa ny an’i Dede de Fenerive izay tsy lavitra eo. Tsy hay mazava ny anton’izao sopatra izao. Tsiahivina fa notokanana tamin’ny 20 oktobra 2020 ity tsangam-bato ity.
« Maro ireo olona no tia sopatra tsotr’izao ary fialonana no betsaka ka tonga hatrany amin’ny fanimbana ireo hany mba fahatsiarovana sisa tavela, mampalaelo ilay toe-tsaina, ontsa ny fo saingy tsy maintsy manaiky ny zava-misy » hoy Bodo mponina eny an-toerana. « Manjaka ny tsy fahandriham-pahalemana, efa mahay miady be ireo olon-dratsy ary somary manahirana ny manatratra azy » hoy ireo mpitandro filaminana. « Miainga avy eny amin’ny firaha-monina ny fitaizana ary ny fiaraha-monina no mikolokolo ny toe-tsaina ka miankina tanteraka amin’ny fiaraha-monina no halala ny toetran’ny olona ireay » hoy Mino mpianatra mahakasika ny filozofia eny Ankatso.
Miezaka hatrany ireo mpitandro filaminana ny mitady vahaolana manoloana ny zava-miseho tahak’izao.
Famenontsoa Rajerison
