ActualitésTsidika

Opération Paka Soa: Hiarovana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena mandritra ny fety

Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny hertsika Paka Soa izay natomboka ny 3 aprily teo ka tsy hifarana raha tsy ny 16 aprily izao. Hetsika avy ao amin’ny Fiarovam-pirenena izy ity natao indrindra hiarovana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena mandritra ny fetin’ny Paka. Isan-karazany ireo hetsika entina hantanterahana izany “operation” izany.

“Ny tena tanjona lehibe amin’ity hetsika ity dia ny hampihenana ireo lozam-pifamoivoizana manodidinany fety. Mateti-pitranga izany rehefa maika hamonjy fety ny tsirairay ka tokony hotandremana mafy. Hisy ny fitsirihana ny fiara mandeha rehetra eny amin’ny lalam-pirenena isan-karazany eny. Hamafisina mandritra io vanim-potoana io ny fisafoana ara-teknika tsy hampoizina, hahatonga ny tsirairay ho tompon’andraikitra amin’ny fampiasana ny lalana”, hoy ny minisiteran’ny Fitaterana.

Hisy ny fisavana ara-teknika eny anivon’ny fiaingan’ireo taxibrousse eny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara, na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Ny fanaraha-maso dia mahakasika ny frein, ny toetry ny kodiarana, ny jiro ary ny fiantohana ny fahadiovana. Entanina araka izany ireo izay tsy miainga avy eny amin’ny fiantsonana hantanteraka ny fitsirihana ny fiara mialohan’ny hiaingana.

“Efa arahi-maso ihany koa ve ny mahakasika ny “moto”? Anisan’ny fitaterana iray mahafaty olona maro ihany koa ireny fa sao variana amin’ny fiara ihany. Mila beazina ihany koa ireo mpitondra moto amin’ny hafainganam-pandeha handehanan’izy ireo”,hoy I Mario, mpamily taxi-brousse makany Antsirabe.

Misokatra ho an’ny daholobe ny foibe fitsirihana fiarakodia manerana ny Nosy ny sabotsy 8 sy 15 aprily manomboka amin’ny 8ora ka hatramin’ny 3ora tolak’andro. Mandritra ny andro fiasana kosa dia misokatra hatramin’ny 4ora tolak’andro ny foibe rehetra. Ambony kokoa noho ny andro hafa ny lozam-piarakodia hamoizana ain’olona rehefa fety toy izao ka izany indrindra no hanairana ny rehetra amin’ny fandraisana andraikitra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire