ActualitésTsidika

Vilihazo: Ankizy miisa 1 200 nahazo fanomezana

Ny sabotsy 01 aprily teo no nanatontosana ny hetsika fizarana fanomezana ho an’ireo ankizy avy ao amin’ny kaominina Vilihaza. Ankizy miisa 1.200 no nahazo fanomeza nandritra izany, izay avy amin’ny Samaritan’s Purse.

 « Izao moa no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka amin’ireo fikambanana izay hisaorana azy ireo manokana. Ao anatinizany ny ekipa TAK Madagasikara sy ireo avy amin’ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra.

« Hafaliana ho an’ny ankizy ny fahazoana fanomezana tahaka izao. Indrindra mahatsiaro misy mpanohana izy ireo ka hisaorana ireo tomponandraikitra rehetra amin’ny ezaka izay asehon’izy ireo » hoy i Hanitra, renim-piankaviana.

Ankizy notsongaina avy amin’ireo fokontany folo ao anatin’ny kaominina moa ireo nahazo fanomezana ireo. Ao anatin’izany, izay misy ny fokontany Anosimanjaka, Ambonisoa, Ambovona, Ambohitompo, Andranohandrina, Ambohidrano, Antsahakely, Antsaharatsy, Andriankely ary ny fokontany Ambahona.

Manitra R.

Laisser un commentaire