ActualitésTatitra

France : Mitombo an’isa ireo mpanangona ny ranon’orana hiadiana amin’ny haintany

Manoloana ny haintany vaovao manamabana ny firenena dia mihamaro ireo frantsay mirona amin’ny fanangonana ranon’orana. Raim-pianakaviana efa misotro ronono iray no efa mantihanina amin’izany raharaha izany ao Saint-André-des-Eaux, Loire-Atlantique. Efa 20 taona lasa izy no nanomboka nanangona ranon’orana. Raha 200 litatra ny nangoniny nanondrahany ny voliny tamin’izany dia efa mahangona 3000 litatra izy amin’izao fotoana ary mahavita ny filany amin’ny fiainany an-davanandro izany.

Fitaovana tsotra ny ampiasain’io raim-pianakaviana io, siny lehibe sy « tuyaux » ihany ary miandry orana hiraraka avy any amin’ny tafony raha ny fanazavany. Tao anatin’ny roa taona kosa dia niakatra ny isan’ny frantsay mampiasa io paikady io hoy ny talen’ny orinasa Aquality sady filohan’ny Ifep (Industriels français de l’eau de pluie). Nanamafy izy fa nitombo an’isa ireo mpanjifa ny siny lehibe tao anatin’izany fe-potoana izany.

Laisser un commentaire