Faritra Atsimo : Hampiakarina ny kalitaon’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny « cliniques mobiles » vaovao
Nisitraka « cliniques » mobiles sy fiara mpitondra marary miisa 40 ny mponina any amin’ny faritra Atsimo izay natao indrindra ahafahana manatanteraka ilay programan’asa « fahasalamana manakaiky vahoaka ». Mponina amin’aliny amin’ny ao amin’ny Faritra Atsimo io no hahazo fitsinjovana ny fahasalamana, izay hiseho amin’ny alalan’ny fikarakarana manokana.
« Hatolotra ho an’ny Hopitaly ao Toliara, Betroka, Ambovombe ary Tolagnaro ireo tobim-pahasalamana mivezivezy (cliniques mobiles) ireo. Tanjona lehibe amin’izany dia ho fanatsarana ny asa fampitomboana ara-toekaren’ny faritrav tsirairay sy ny vondron’olona itsinjaram-pahefana », hoy ny avy ao amin’ny PNUD, izay mpamatsy vola ny tetik’asa.
« Ankoatra izany dia efa tsy afaka miala amin’ny teknolojia intsony ny firenena sy ny faritra rehetra ka hovatsiana fanafody avokoa ireo hopitaly miisa 40 ireo amin’ny alalan’ny “drone” ahafahana manamora ny fahatongavan’ny fanafody amin’ny tobim-pahasalamana saro-dalana », hoy kosa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Fahasalamana tsara kalitao no hatolotra ireo mponina any amin’ny faritra Atsimo ireo na dia « cliniques mobiles » aloha hatreto no any an-toerana. Ireo fiara ireo dia samy manana latabatra sy seza roa, efitra fitsaboana misy latabatra fizahana ary misy fitaovana vonjy taitra isan-karazany. Ny toeram-pitsaboana dia mandeha amin’ny herinaratra ary manana sampana vonjy taitra (groupe électrogène). Misy « oxygène » amin’ny tavoahangy ho fitsaboana maika ny olana ara-pisefoana ihany koa.
Miora Raharisolo
