Seychelles : Tafaverina ao Moscou ilay fiaramanidina noahiahiana ho nitondra baomba
Nisy ny fampandrenesana fanaraina momba ny baomba tao amin’ny seram-piaramanidina tao Mahé, Seychelles ny sabotsy teo. Nisy nandefa hafatra miafina ireo tompon’andraikitra tao alohan’izany nirakitra fa nisy nametraka baomba tao amin’ny Boeing 777 an’ny orinasam-piaramanidin’i Russie, Aeroflot.
Tsy fantatra, ary tsy azo fantarina, ny fihavian’ilay hafatra, raha ny fanazavan’ny manam-pahefana, saingy ho fitandremana dia nampidinina avokoa ireo mpandeha 246 isa ary nahato avokoa ireo sidina iraisam-pirenena na ny niainga tao Moscou na ny tao Seychelles. Taorian’izany dia nentina nisitaka ilay fiaramanidina ary nanomboka nikaroka ny mety ho endrika baomba ireo tompon’andraikitra, saingy tsy nahita na inona na inona.
Nandeha nivantana tao amin’ny seram-piaramanidina kosa ny filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan, ary niarahaba ireo tompon’andraikitra izay mitantana ny raharaha tao anaty filaminana. Efa tafaverina ao Moscou kosa ilay fiaramanidina.
