ActualitésTatitra

La Réunion : Nahatonga rameva ny Zoo Parc ao Etang Salé

Rameva miisa enina 6 no tonga ao amin’ny Zoo Parc ao Etang Salé. Misy ny toerana voatokana ho azy ireo izay lavitr’ireo biby hafa hoy ny « guide animalier pédagogique », Eric Fontaine. Toerana azon’ny andro sy mafana mifanaraka amin’ny filàny no nasiana azy ireo hoy io tompon’andrakaitra io.

Na izany aza nefa dia miahiahy ny amin’ireo biby ireo ny sendika misahana ny fambolena ny fiompiana ao an-toerana. Nanaiky izy ireo fa nisy ny « arrêté préfectoral » vokatry ny asa roa taona, izao no ahafahana mandray tsara ny biby « ruminant » ao amin’ny nosy saingy heverina fa tsy nanaraka ny fandaminana ny fanafarana ireo rameva enina ireo hoy i Jean-Michel Moutama, filohan’ny CGPER.

Marihana fa ny biby miditra ao amin’ny nosy avy ao Europe na France dia tsy mandalo fizahana amin’ny fahatongavana hoy i Laurent-Xavier Delmotte, tompon’nadrikitra ao amin’ny DAAF (direction de l’alimentation, de l’agriculture et de la forêt).

Laisser un commentaire