ActualitésTatitra

La Réunion : Hiverina hisokatra indray ny Luna Park

Fotoana tena andrasan’ny ankizy ao amin’ny nosy La Réunion ny fisokafan’ny Luna Park izay « parc d’attraction » lehibe indrindra ho an’ny ankizy ao an-toerana. Ho an’ity andiany faharoa ity dia ny 21 hatramin’ny 20 jolay izao izany no hisokatra ao amin’ny toeram-pampiratiana ao Nordev, Saint-Denis.

Raha tsiahivina dia ny CRP Event no mikarakara io hetsika io miaraa amin’ny Nordev. Tanjona ny hampiainana ireo ankizy fotoana tsy hainy hadinoina, hihaonany amin’ireo « héros » tena tiany ary hialany ny toerana miaraka amin’ny fahatsiarovana mahafinaritra hoy ny tompon’andraikitra. Natao ho an’ireo tsy manana fahefahana andeha hiala sasatra ihany koa ny toerana raha ny fanazavana.

10 Euro ny fidirana hoa n’ireo 2 hatramin’ny 12 taona, 5 Euro kosa ho an’ireo mahery ny 13 taona ary maimaipoana ho an’ny zaza latsaky ny 2 taona. Misy « manèges » sy « structures gonflables » maro kosa ao amin’io Luna Park io ary misy fanentanana sy fialamboly maro samihafa.

Laisser un commentaire