ActualitésTatitra

Comores : Nahazo famatsiam-bola tamin’i Japon indray ny nosy

Nahazo 2 270 497 dollars na 1,55 milliard francs comoriens tamin’ny fanjakan’i Japon indray i Comores ny herinandro lasa teo tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny tetik’asa fanadiovana ao an-toerana. Entin’ny nosy hiadiana sy hiatrehana bebe kokoa ny fipariahn’ny fako ao Mutsamudu, Fomboni ary Moroni izany raha ny fanazavana.

Nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny tao Comores Dhoihir Dhoulkama sy ny lefitry ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Yoshiki Takaku teo Mutsamudu io fifanarahana io. Nitondry teny mahakasika izany kosa ny minisitry ny fambolena sy ny tontolo Iainana tao an-toerana, Houmed M’saïdie izay nilaza fa nangataka fanampiana momba io sehatra io ny filoham-pirenen’i Comores nandritra ny fandalovany tao Japon roa volana lasa izao. Nankasitraka ny governemantan’i Nippon namaly ny fangatahana izy ary nanazava fa hiasa betsaka amin’ny fampitaovana ireo kaominina amin’ny fitaovana fanadiovana io vola io.

Laisser un commentaire