Ambohimangakely : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny fonosana rongony
Voasambotry ny zandary avy ao Ambohimangakely ny lehilahy iray mipetraka ao Antanambao Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro lasa teo, rehefa tratra tamin’ny asa ratsiny : ny famatsiana rongony ao an-tanàna.
Fonosana rongony miisa 40 no tratra tao amin’ity lehilahy ity rehefa nahazo baiko tamin’ny fisavana ny zandarimaria tao an-toerana. Tratra niaraka taminy ihany koa ny vehivavy lehibe iray, mpandray sy mpivarotra ireo rongony ireo. « Rehefa nahazo alalana avy amin’ny mpampanoa lalana izahay avy eto anivon’ny zandary dia avy hatrany niroso tamin’ny fisavana. Vokany : rongony miisa 40 fonosana no fitambarany no tratra, ka nogiazana avy hatrany hatao porofo. Tao anaty tavy fanaovana maloto no nanitrihan’ilay ramatoa mpivarotra azy izany. Hita tamin’izany ihany koa ny ody ratsy maromaro niaraka tamin’ireo rongony » hoy ny avy eo amin’ny zandarimaria ao Ambohimangakely. « Tsy rariny loatra ny zavatra tahaka izao. Mahazo vahana ary miroborobo ny zava-mahadomelina eto amintsika. Mila lalàna famaizana mafy satria ny ho avin’ny zanaka sy ny tanora eto an-tanàna no ho simba raha tsy misy ny fandraisana andraikitra » hoy i Liva, mponina ao Ambohimangakely.
Manoloana izao zava-misy izao, mitohy ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitandro filaminana hisorohana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Manentana hatrany amin’ny fanomezam-baovao avy amin’ny mponina ihany koa ireo zandary, entina miady amin’ity zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina ity.
Manitra Ramanantsoa
