ConseilTsidika

Torohevitra: Fanalana ny tsatsakoatra amin’ny vatana

Zavatra miseho mety ho hita amin’ny karazan-koditra rehetra ny tsatsakoatra. Mety hisy izany avokoa na ny lahy na ny vavy. Anisan’ny manelingelina ny maso izy ireny na misy aza no mahay mankasitra sy manaiky ny vatany sy ireo « impérfection » amin’ny vatany.

Misy paipaika tsotra, amin’ny fomba natoraky afaka hanalana azy ireny. Ny voasarimakirana sy ny tapotsin’atody no entina hanalana izany eto. Tsotra ny fikarakarana azy, kapohina ny tapotsin’atody ary afangaro amin’ny ranona voasarimakirana iray . Io fangaro io no ahosotra amin’ny faritra misy tsatsakoatra mandritra ny 30 ka hatramin’ny 40 minitra. Rahefa izay dia kobanina amin’ny rano matimaty.

Anisan’ny akora efa fantatra fa mitondra voka-tsoa maro amin’ny hoditra ny atody sy ny voasarimakirana. Tsara moa raha averina in-telo isan-kerinandro ity fomba iray ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire