Ambohimangakely: Misy ny fampianarana ara-maroseho eny amin’ny BTC
Misy ny fampianarana ny taranja ara-maro-seho eny amin’ny BTC Ambohimangakely. Tahaka ny efa nahalalana ny ivon-toerana hatramin’izay, misehatra amin’ny karazana taranja ara-panatanjahan-tena ny ivon-toerana.
“Misokatra amin’ny taranja rehetra ny BTC, ary anisan’ny nahafantarana azy hatramin’izay ny taranja ara-maro seho. Ankehitriny, miverina miandalana ao anatin’ny fanomezana sehatra izany ny ivon-toerana ka manasa ireo efa anatiny na vao hianatra satria tsy ho diso fanantenana ao anatin’izany” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny BTC.
“Ity taranja Aikido ity dia natokana ho anao na efa ao anatin’ny sehatra na vao hianatra dia tongava fa ho hampahafantarinay anao ny tsara ho fanatatra rehetra momba izany”
Manome sehatra ny taranja rehetra ny BTC. Ankoatra ity Aikido ity, dia mbola misy ihany koa ny fampianarana dihy ao amin’ny ivon-toerana.
Manitra R.
