Actualités

Fiarahamiasan’i Bill Gates sy ny Oniversiten’Antananarivo.

Hametraka fiarahamiasa amin’ny Madagasikara i Bill Gates amin’ny alalan’ny  fikarohana vaksiny eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Izy izay nanohana ara-bola ny fananganana ny trano fikarohana lehibe ao faritry ny Oniversite, nampitondraina ny anarana hoe :  » International vaccine institute. Ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin’izany sehatra izany no hanatanteraka ny asa fikarohana. Vaksiny iarovana ny « tiphoïde » sy ny « bilharziose » no trandrahana voalohany amin’ity tetikasa ity. Ao aoriana kosa vao hitady vaksiny hafa, hoy i Lalanirina Gabrielle Rajoelison, filoha faharoa misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny vakoka sy ny raharaha ivelany ao amin’ny Oniversite, ny talata lasa teo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire