Ambohimangakely : Ho atsangana ny lycée FJKM Ambohimangakely
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fametrahana ny vato fehizoro, fankalazana ny faha 120 taona ny fiangonana FJKM Antanambao. Tonga nanatanteraka izany tao an-toerana ny ben’ny tanàna, miadidy ny kaominina Ambohimangakely, niaraka tamin’ireo kaomitin’ny fankalazana, araka ny voalaza.
« Ao anatin’izao fametrahana ny vato hefizoro izao dia hametraka fahatsiarovana mifanindran-dalana sy fanamarihana izany ihany koa ny kaominina. Araka izany dia misy ny asa goavana ho tanterahana dia ny fanorenana Lycée FJKM izay atao eto amin’ny Fokontany Ambohimangakely » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Maro tokoa ny fahasoavana hita nandritra izany 120 taona izany ary anisan’ny tena mbola zava-dehibe ihany koa ny fametrahana sekoly ho fampandrosoana ny fanabeazana. Ny hirariana dia ny fihitaran’izany hatrany satria ny fandraisana andraikitra sy ny fitondrana ny anjara biriky tahaka izao dia antoky ny fampivoarana ety ifotony » hoy i Sahondra, tomponandraikitra misahana fikambanana ao an-toerana.
Anisan’ny nanome tolo-tanana ho fanampiana ny fiangonana amin’izao fanorenana sekoly izao moa ny avy amin’ny fiadidiana ny kaominina Ambohimangakely.
Manitra R.
