SocialTsidika

Ambohitrombihavana : mponin’ny tia fialam-boly ny olona ao an-toerana

Iray amin’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina Ambohimangakely i Ambohitrombihavana, ary somary ambanivohitra. Raha ny tena niandohan’ny tanàna dia vohitra iray, izany hoe tanàna miorina antampo-kavoana izy io fa ankehitriny kosa nidina teny ambany ireo mponina no halavitan’ny hahavon’ny vohitra.Raha vao miresaka hoe Ambohitrombihavana dia maro ny zavatra tonga ao an-tsaina, eon y maha vohitr’andriana azy fa eo koa ny finiavan’ny olona ao an-toerana mampandroso ny tanàna, ny fanamboarana ireny “baluster” ireny, izay hita amin’iny lalam-pirenena faha roa iny ireo izy amidy.Raha ny fanazavan’i Rivo mponina ao an-toerana dia “teny an-tampotendrombohitra no nihorina ny tanàna fahiny fa rehefa taty aoriana kosa dia nanapa-kevitra ny hidina teny amin’ny faritra ambany ireo mponina, teny indray no nahateraka ny fokontany, manana velaran-tany 56ha izy ary eo amin’ilay toerana atao hoe Tsarahafatra lalovana amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no miakatra eo ho eo amin’ny 1km eo dia tonga ao Ambohitrombihavana, 12km eo kosa izy raha miala ny renivohitra, miisa 1600 mahery eo ho eon y mponina ao an-toerana”.Mponina tia fialam-boly ny mponina ao, ary hita misongadina amin’izany ny lalao fanorona sy ny adin’ankoho, rehefa andro tsy fiasana iny ahitàna olona maro mihitsy miala voly, na dia tsy tonga any andrenivohitra aza ireo olona dia faly amin’ny ananany izy ary tsy menatra fa ireharehany izany.Raha ny fitantaran’ny mpahay tantara dia « Analamanitra na Ambohitralatenona no niantsoana io tanàna io fahiny, ilay antsoina hoe Andrianamboninolona no angady nanana sy vy nahitana ity tanàna ity, ireo taranany no monina ao mandrak’ankehitriny, zanak’i Andriamananintany izay rahalahin’Andriamanelo izy, teo Ambohitrandriananahary no no nonina voalohany izy saingy nadositra teo Ambohitrombihavana izy rehfa novonoin’Andriamanelo ny rainy, natahotra mantsy Andriamanelo sao ihoaran’i Andriamananitany izy ka izay no namonoiny azy. Nony tany ahorina dia nifona ihany Andriamanelo ka nanao raharaham-pihavanana tamin’ny Andrimanamboninolona, ary namely azy ity farany hoe « izahay tsy hiady aminareo fa vohitra omby Havana ity” ka izay nahatonga ilay hoe Ambohitrombihavana ».Miisa telo ny vadin’Amndrinamboninolona ary samy niterahany avokoa izy ireo, ary avy amin’ny iray amin’ireo zanany ireo no nifandraisany tantarany tamin’ny Manjakamiadana, rehefa hadiva hiamboho mantsy Ralambo di any zanany tamin’ny zanak’Andriamboniloha no nanjaka dia tsy iza fa Andrianjaka izany, tamin’ny tao 1763. Nisy olo-manga maro nivoaka tao an-toerana na efa taty aorian’ny fotoan’ny faha-mpanjaka aza.Manana zana-bohitra maro Ambohitrombihavana, noho ny hamaroan’ny zanaka lahin’Andrianamboninolona. Tamin’ny 1896 dia lasa canton Ambohitromby, mafy tamin’ny olona anefa ny resaka fambolena sy fiompiana ka nidina teny ambany izy ireo. Ahitàna EPP ao an-toerana, ary misy zavatra maro. Tamin’ny fotoana nahatapaka ny tetezan’Ambohimangakely dia teo Ambohitromihavana no lalana nanitsiana rehefa hihazo iny lalam-pirenena faha roa iny.Ny tsy fandriam-pahalemana matetika no somary misy eny an-toerana isan’izany ohatra ny vaky fasana, ny fahatapahan’ny rano koa indraindray matetim-pitranga, kanefa noho ny hetsika maro efa ataon’ny minisiteran’ny fiarovana dia anisany misitraka izany ny kaominina Ambohimangakely, amin’ny fampandrosoana ny fandriam-pahalemana. Ny resaka jiro indray misy ny sasany amin’ny olona no mampiasa ireny herin’aratra azo avaozina ireny “paneau solaire”, ka mizotra ihany ny fiainany an-davan’andro amin’ny maha ambanivohitra azy dia ahitàna mpamboly sy mpiompy ao an-toerana ary manana velaran-tany midadasika koa izy ireo.Raha eto Madagasakara, eny fa na dia Antananarivo ihany aza dia mbola maro ny toerana misy vakoka sady tasara rivotra azo tsidihana sy hialana sasatra, ka naisan’izany Ambohitrombihavana.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire