ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Tafapetraka indray ny jiro miisa 10

Nametrahana jiro hanazava ny lalana miisa 10 indray ny kaominina Talata Volonondry. Teo Talata Volonondry tanàna sy Avaratsena no napetraka izany, mba hampandriana hatrany ny fahalemana.

« Isaorana ny avy ao amin’ny Ministera sy ny mpiara-miasa aminy rehetra, ary ny avy ao amin’ny Jirama, tamin’izao hazavana izao. Miha-mazava ny lalana, ary hinoana fa hanafoana ny endrika tsy fandriam-pahalemana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Tena mampitahotra mihitsy ny mandalaoeto Avaratsena rehefa alina. Isaorana ny tompon’andraikitra nanisy hazavana tamin’ity toerana ity. Ny maizaina mantsy no fanjakan’ny ratsy » hoy i Feno, mponina ao Talata Volonondry.

Fananana iombonana ity jiro manazava ny tanàna ity, ary betsaka ny hisitraka tombontsoa amin’izany. Tsara raha saro-piaro sy miaro izany hatrany isika vahoaka.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire