Nodimandry ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo
Nodimandry io omaly io tany Frantsa teo amin’ny faha-69 taonany ny Praiminisitra teo aloha Tantely Andrianarivo, lehiben’ny Governemanta tamin’ny Fitondran’ny Filoha Didier Ratsiraka nandritra ny Repoblika faha-3 taorian’ny Praiminisitra Pascal Rakotomavo. Ny ekipan’ny Tsidika dia mirary fiononana feno ho an’ ny fianakaviany.
