Alaotra: Kalach efatra no sarona
Tsy azon’ny sivily ampiasaina tanteraka ny Kalachnikov noho izy fitaovam-piadiana natokana ho an’ny mpitandro ny filaminana. Tonga teny am-pelan-tanan’ny jiolahy mpaka an-keriny nefa izany tao Alaotra. Basy efatra no saron’ny zandary niaraka tamin’ireo jiolahy nandritry ny fisamborana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta.
