ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray no nanindrona antsy ny lehilahy niray ara-nofo taminy

Notsaraina noho ny fikasàna namono an’i Daniel Trevino i Nika Nikoubin, 21 taona. Raha tsiahivina dia tamin’ny alalan’ny rindram-baiko Plenty of Fish no nifankalalan’izy ireo. Rehefa nandeha ny resaka dia nifanao fotoana tao amin’ny holety iray tao Las Vegas ao Nevada izy roa ireo.

Rehefa tonga tao amin’ny efitrano nofain’i Nika Nikoubin ilay lehilahy dia notapenany ny masony ary nandritra ny firasain’izy ireo ara-nofo dia notsatohin’ilay vehivavy ny antsy indroa i Daniel Trevino. Voa teo amin’ny tendany ity farany saingy mbola nahavita nanosika ny nitsoaka ary niantso ny polisy ny tenany.

Rehefa natao ny fanadihadiana an’i Nika Nikoubin dia nilaza izy fa famaliana faty an’ilay jeneraly avy ao Iran, Qassim Soleimani matin’ny « drone nalefan’i Etats-Unis tamin’ny taona 2020 no anton’io fihetsiny io. Fantatra kosa taorian’izany fa « schizophrène » ary misy « trouble bipolaire » ilay tovovavy. « Probation » telo taona kosa no saziny.

Laisser un commentaire