1 aprily : Inona no nahatonga ity fety ity ?
« Poisson d’avril » na fetin’ny lainga ny 1 aprily ho an’ny Malagasy. Raha ny marimarina kokoa dia « fête de la farce » na sangisangy izy io.Raha ny fantatra teny tany amin’ny fotoana nitondran’ny mpanjakan’i France Charles IX no niandohan’ity fety ity. Nanapa-kevitra ny nanavao ny tetiandro izy ny taona 1564 raha nanomboka ny krismasy ny taona tao an-toerana ary nankalazaina hatramin’ny 1 aprily ny paka sy ny fety 25 martsa.Niova 1 janoary ny fihandohan’ny taona ary naparitaky ny Pape Grégoire XIII tamin’ny faritra maro izany. Sarotra ho an’ny rehetra nefa ny nandray izany fanavaozana izany ka nanohy ny fifanolorana fanomezana ny 1 aprily izy ireo.Nentina nisangiana ireo olona mbola voafatotry ny tetiandro teo aloha ireo dia nanomboka nifanome fanomezana hafakely na tsy tena izy sy nampihome ny tsirairay ka rehefa tonga ny 1 aprily dia lasa natao fanao izany hatramin’izao.Maro kosa no heverina fa anton’ilay « poisson ». Anisan’izany ny fandrarana ny jono tao France isaky ny fiandohan’ny volana aprily, ny trondro izany mariky ny karemy ho an’ny kristianina ary ny trondro « signe du zodiaque » faran’ny ririnina.
