Belgique : Hisokatra ny 10 oktobra 2022 izao ny fitsarana ny raharaha fanafihana an’i Bruxelles
Nanambara ny fitsarana ambony tompon’andraikitry ny raharaha fa hikatra fitsarana ny 10 oktobra 2022 ny fitsarana ny raharaha fanafihan’ny djihadiste an’i Bruxelles. Raha tsiahivina dia niseho ny 22 martsa 2016 teo izany, djihadiste roa no nipoaka ny seram-piaramadidina iraisam-pirenen’i Bruxelles-Zaventem ary iray tao amin’ny « metro » ny renivohitra belge. Nahafaty olona 32 io fanafihana io ary nandratra olona naherin’ny 340.Hanomboka hiaraka amin’ireo mandrafitra ny mpitsara ny « cour d’assises » izay hanapaka ny helok’ireo olona folo voampanga ny raharaha. Hisomboka ny 13 oktobra 2022 amin’ny 9 ora kosa ny fakana am-bavany hoy i Laurence Massart, filoha voalohan’ny fitsarana ambony.
