Etats-Unis: Vehivavy iray namono ny zanany ho fanatanterahany ny fahotany farany
Renim-pianakaviana 26 taona i Kristhie Alcazar. Nandalo teo aloha’ny fitsarana ny herinandro lasa teo izy noho ny famoany ny zanany naterany. Ny 3 desambra teo tao amin’ny trano fonenana tao Penns Grove ao New Jersey no niseho izany tranga izany. Notsondronin’ity vehivavy ity ny antsy in-betsaka teo amin’ny tratrany ny zazany dimy volana.Ireo manodidina nahare feo hafahafa no nampandre ny mpitandro ny filamina ary rehefa tonga tao an-toerana ireo manam-pahefana dia nahita ity renim-pianakaviana ity nifamaly tamin’ny olona iray hafa teo akaikin’ny fatin’ilay zaza. Rehefa nohadiadiana i Kristhie Alcazar dia fanatanterahany ny fahotany farany dia ny « famonoana olona » hoy izy no anton’io fihetsika io ary tsy nisy nanenenany izany.Nilaza ity vehivavy ity fa salama saina tsara ary tsy nandray zava-mahadomelina tamin’ny nanatanterahany io famonoana olona io. Tokony hiditra am-ponja mandrampahafatiny izy, hoy ny mpitsara Christine Allen-Jackson ny fotoana higadran’ity renim-pianakaviana ity. Marihina fa tsy tao an-trano ny rain’ny zaza tamin’ny nisehoan’ny tranga.
