ActualitésTatitra

Etats-Unis : Inona moa ny ChatGPT ?

Efa nahare ny momba ny ChatGPT ve ianao nefa mbola tsy maharaka ? Fantaro ary fa ny ChatGPT dia fanafohezana ny teny hoe « Chat Generative Pre-trained Transformer ». Karazana tranokala fikarohana volavolain’ny OpenAI, orinasam-pikarohana momba ny « intelligence artificielle » izy io.

Karazana « Google » ihany ChatGPT saingy efa lasa lavidavitra kokoa. Mahavita manorona lahatsoratra izy, mamaly fanontaniana maro samihafa ary mifampiresaka amin’ny alalan’ny « Chat » amin’ny mpampiasa azy. Mahasamihafa azy amin’ny « Google » sy ny Bing ny famaliany amin’ny alalan’ny lahatsoratra ary tsy manome rohy ny nahazoany ny valin-teny izy. Tsy manome karazana valiny ihany koa izy fa avy hatrany dia valiny tokana araky ny fikarohana manokana nataony no omeny.

Segondra vitsy ihany nefa dia voavalin’ny ChatGPT ny fanontaniana iray. Amin’ny teny anglisy io tranonkala io, azo atao nefa ny mametraka fanontaniana amin’ny fiteny frantsay ao aminy. Misy aza ireo mametraka izany amin’ny teny malagasy.

Laisser un commentaire