ActualitésTsidika

Vidim-bary : Nanantanteraka fitsirihana teny an-tsena ny minisitera

Nijery mivantana ny vidim-bary teny an-tsenan’Anosibe ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Betsaka ny fitarainan’ny olona tatoato  nohon’ny fiakaran’ny vidim-bary. Fiakarana izay tena mampiferinaina ny vahoaka tokoa amin’izao fotoana izao. Anjara andraikitra ny minisitera  arak’izany ny mitady vahaolàna ahafahana mampidina haingana ity vidim-bary ity. Tsikaritra nandritra ny fanaraha-maso  fa mividy mivantana amin’ireo kamiao mpanangom-bokatra ny mpivarotra  Tsy misy anefa ny taratasy mamarina ny  vidin’entana.  « Tsy hajain’ireo mpaninjara sy mpanangom-bokatra ny zotra amin’ny lalam-barotra (circuit de distribution). Tsy fanaraha-dalàna izany rehetra izany. Hentitra amin’ny tsy maintsy ananan’ny mpivarotra faktiora ny MICC ahazoana manara-maso sy manaporofo ary manamarina ny tena vidin’entana. » , arakan’ny voalazan’ny minisitera tomponandraikitra.   

Maro ny antony mampiakatra ny vidim-bary amin’izao fotoana izao. Ohatra ny fahasimban’ny lalàna, izay andry iankinan’ny  varotra sy fanjifana eto an-toerana. Eo ihany koa anefa ny olàna amin’ny famokarana. Tsy ampy fitaovana  ny tantsaha. Etsy ankilany ,matahotra ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao ka tsy mivarotra ny vokatra ao aminy. Nanamafy izany i Fanomezantsoa Natolotriniaina Herizo, talem-paritra (DRICC) Analamanga : « Ny fahatahoran’ireo tantsaha ny fiakaran’ny vidim-piainana no mbola tsy ivarotan’izy ireo. Matahotra izy ireo sao tsy haharaka ny varin’izy ireo eo am-pelatanany. Nefa ao ihany koa izay atao hoe fiovaovan’ny toetrandro dia taraiky ny atao hoe fararano be. »

Ny tantsaha no tokony jerena voalohany raha teo amaha ny olana amin’ny resaka vidim-bary ity ny minisitera. Mila tosika sy fanampiana betsaka avy ami’ny fitondram-panjakana izy ireo mba hahafahany mamokatra tsara sy betsaka. Tokony jerena akaiky ihany ireo mpandraharaha  mpanangom-bokatra, fa misy ireo izay tsy manara-dalàna, mangeja ny vokatra eo an-tanany.Tokony tsy hisy ny fiakarana toy izao raha samy mitandrina tsara ny lalàna ny sehatra tsirairay fa tsy mampiasa ny herin’ny vola fotsiny.

Erwan RAN

Laisser un commentaire