Barea: Hivoaka mpandresy ny tanjona anio amin’ity lalao mandroso ity
Dépêche 23 mars, 12h, Hihaona amin’ny Fauves du Bas-Oubangui ny Bareaan’ny Madagasikara anio ao anatin’ny andro fahatelo hiadiana ny toerana hahafahana miatrika ny CAN 2023. Handresy ny tanjona napetraka hoy ny mpanazatra ary efa vonona avokoa ny ekipa rehetra na ireo avy any ivelany na ireo eto an-toerana indrindra amin’ny tanjaka ara-batana. Manana fomba filalao mahay ny Centrafrique fa tokony ho mora ho an’ny Bare any hibata ny fandresena. Ao amin’ny kianjan’ny Mahamasina no hanaovana izany lalao izany anio amin’ny 4 ora tolak’andro. Misy fivarotana ny tapakila eny an-toerana hatramin’ny 12ora tolak’andro ho an’ireo izay liana amin’izany
